FANTATRAO VE #1
FA MANINONA NO MILA FAMPIHARANA SAKAFO ISAN-KARAZANY HO AN’NY MALAGASY?





Tambazotra hizaràna fahalalàna mikasika ny fanjariantsakafo sy ny tontolony, miantefa amin’ny Malagasy, mba hivelarana sy handrosoan’ny sokajin-taona rehetra.
Mampiseho fampiharana nahandro isan-karazany, tsy lafo vidy, sady mamerina ny hafatra fitandroana ny fahadiovan’ny fikarakaràna sakafo.
Samy hafa amin’ny tambazotra mifantoka amin’ny fahaiza-mahandro avo lenta, nefa kosa manampy ny tanora hahay hahandro amin’ny fanomezana mazava ny dingana arahina miaraka amin’ny fanehoana an-tsary.
Mamporisika famokarana akoran-tsakafo azo atao eo an-tokontany, mba hampihena ny fandanian’ny ankohonana sy mety hahazoany mandavan-taona karazam-boankazo mahasalàma.
Mampatsiahy ny fahatsaràn’ny karazam-bokatra hita amin’ny faritra maro eto Madagasikara, izay tokony hampidirina ao anatin’ny fomba fisakafon’ny ankohonana.
Hanome tolotra ahafan’ny mpanaraka ny tambazotra, mandrefy raha mandroso tsara ny fomba fisakafon’ny ankohonany.

FA MANINONA NO MILA FAMPIHARANA SAKAFO ISAN-KARAZANY HO AN’NY MALAGASY?
Tetik'atody sy legioma :
"Tsara be ny sakafo sady mora hita, mahasalama, ary azon'ny fianakaviana tsirairay ny mamokatra azy"