FANTATRAO VE #1
FA MANINONA NO MILA FAMPIHARANA SAKAFO ISAN-KARAZANY HO AN’NY MALAGASY?

Ireo fototry ny fanjariatsakafo
Iray amin’ny fototra ny fomba fisakafo ara-pahasalamàna, avy amin’ny sakafo mifandrify amin’ny filàn’ny olona: sakafo manankarena singa mpamelona, mifanandrify amin’ny sokajin-taona, ny fisotroana rano madio ary ny fazahoan’ny ankohonana mahita ireo akoratsakafo ilaina. (Rafitra fototra fanjariantsakafo - anglisy)
- Izany koa dia miankina amin’ny fampiharana ara-tsakafo: manomboka amin’ny nonon-dreny raha vao teraka, miampy karaza-tsakafo dieny fahazazàna; miankina ihany koa amin’ny fitandroana ny fahadiovana, ny fikarakaràna ary ny fihinanana karazan-tsakafo, ho an’ny ankohonana rehetra.








Ahoana moa no zava-dehibe ny fanjariantsakafo ?
- Ho an’ny zaza, ny ankizy, ny adolatsento ary ny tanora: ny fanjariatsakafo dia iray amin’ny fototra miantoka ny fitomboany ara-batana, ny fivelaran-tsaina, ny fisorohana ny tsy fanjariantsakafo ho an’ny taranaka, ny fanànana hery enti-mihetsika sy entina mianatra
- Ho an’ny olon-dehibe, ny fanjariatsakafo dia iray amin’ny fototra miantoka ny fanànana hery entina miasa sy ahavitàna asa tsara kalitao
- Ho an’ny zokiolona, ny fanjariatsakafo dia iray amin’ny fototra miantoka ny fanànana hery enti-mihetsika sy mitandro fahasalamàna mandritry ny fahalehibiazana.
Tsy Lany Tetika