
Bodo RAKOTOMALALA
Tompon-kevitra sy mpandrindra
Bodo Rakotomalala, manana ‘ Master en Nutrition Humaine et Santé Publique ’ tao amin’ny Oniversity Sorbonne Paris Nord. Izy dia efa niasa nandritry ny 15 taona teo amin’ny sehatry ny fanjariantsakafo teto Madagasikara...
Vakio ny tantara feno
Bodo Rakotomalala, manana ‘Master en Nutrition Humaine et Santé Publique’ tao amin’ny Oniversity Sorbonne Paris Nord. Izy dia efa niasa nandritry ny 15 taona teo amin’ny sehatry ny fanjariantsakafo teto Madagasikara ;
Tao anatin’izany dia niasa 8 taona tao amin’ny UNICEF: nisahana ny fanohanana ny tetikasam-pirenena mikasika ny fanjariantsakafo, ny fandrindràna fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakàna amin’ny fanovonana Ioda ny sira, ary ny fitantànana tetikasa marolafy (HAFAVELOTEGNA) fanatsaràna ny fanjariantsakafo tany amin’ny faritra Analanjirofo. Nitarika ihany koa ny fampiroboroboana ny fampiasàna akoratsakafo samihafa iarahana amin’ireo tompon'antoka amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana.
Amin’izany i Bodo dia manana traikefa miteraka vina amin’ny lafiny mbola mila tosika, hampiharana ny fampiasàna sakafo samihafa ho an’ny rehetra eto Madagasikara.
Tsy Lany Tetika


